<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C.F. Witt</author>
<title>Dera, laza, ry Mpanjaka FFPM750</title>
<lyrics>[V1]
 Dera, laza, ry Mpanjaka !
 No atolotray Anao
 Noho Hianao nitahy ;
 Tratranay ny taom-baovao.

[V2]
 Andro maro izay no lasa,
 Be ny soa hitanay ;
 Fitahia-mahagaga
 Azo taminao, ry Ray !

[V3]
 Marobe ny ratsy vita,
 Lehibe ny helokay,
 Ka tsy mendrika hiantso
 Ny Anaranao izahay.

[V4]
 Miantrà, ry Zanahary !
 Mamelà ny helokay,
 Ka sasao ny ran'i Jeso,
 Mba hadio izahay.

[V5]
 Aoka re ny andro sisa
 Hanompoanay Anao ;
 Hatanjaho, ry Jehovah !
 Izahay mpanomponao.</lyrics>
<hymn_number>750</hymn_number>
</song>